1 Corinthians 1

1Paoly, nantsoin’i Jesosy Kristy mba ho Apostoly nohon’ny sitrapon’Andriamanitra, sy Sostena rahalahintsika, 2ho an’ny fiangonan’Andriamanitra ao Korinto, ho an’ireo izay nohamasinina tao amin’i Kristy Jesosy, izay voantso ho olona masina. Manoratra ho an’ireo rehetra izay miantso ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika amin’ny toerana rehetra ihany koa izahay, dia Tompon’izy ireo sy antsika. 3Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

4Izaho dia manome fisaorana ho an’Andriamanitro ho anareo foana nohon’ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomen’i Jesosy Kristy anareo. 5Nataony nanankarena tamin’ny fomba rehetra ianareo, tamin’ny fiteny rehetra sy ny fahalalana rehetra, 6raha vao voaporofo teo aminareo fa marina ny fanambarana momban’i Kristy.

7Noho izany ianareo dia tsy ory fanomezam-pahasoavana eo am-piandrasanareo fatratra ny fanambarana an’i Jesosy Kristy Tompontsika. 8Izy ihany koa dia hampahery anareo hatramin’ny farany, mba tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Jesosy Kristy Tompontsika. 9Mahatoky Andriamanitra, izay niantso anareo ho amin’ny firaisana amin’ny Zanany lahy, Jesosy Kristy Tompontsika.

10Ankehitriny dia mampirisika anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hifanaraka ianareo rehetra, ary tsy hisy fisarahana eo aminareo. Mampirisika aho mba hikambana amin’ny saina mitovy sy tanjona mitovy ianareo. 11Fa efa natao mazava tamiko, ry rahalahy, tamin’ny alalan’ny vahoakan’i Kloe fa misy fifampiandaniana eo aminareo.

12Ny tiako ambara dia izao: Ny tsirairay aminareo samy manao hoe: “Izaho miaraka amin’i Paoly,” na “Izaho miaraka amin’i Apolosy,” na “Izaho miaraka amin’i Kefasy,” na “Izaho miaraka amin’i Kristy.” 13Voazarazara ve Kristy? Paoly ve no nomboana ho anareo? Tamin’ny anaran’i Paoly ve no nanaovana batisa anareo?

14Misaotra an’Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo, afa-tsy Krispo sy Gaio. 15Izany dia mba tsy hafahan’iza na iza miteny hoe tamin’ny anarako no nanaovana batisa anareo. 16(Izaho ihany koa dia nanao batisa ny ankohonan’i Stefanasy. Ny ankoatra izay, tsy fantatro raha nanao batisa olona hafa aho.)

17Fa Kristy dia tsy naniraka ahy mba hampanao batisa fa hitory ny filazantsara. Izy tsy nandefa ahy hitory amin’ny tenin’ny fahendren’ny olombelona, mba tsy ho foana ny herin’ny hazofijalian’i Kristy.

18Fa ny hafatra momba ny hazo fijaliana dia fahadalana amin’ireo izay ho faty. Fa eo amin’ireo izay ho vonjen’Andriamanitra kosa, dia herin’Andriamanitra izany. 19Fa voasoratra hoe: “Ho potehiko ny fahendren’ny hendry. Ho foanako ny fahalalanan’ny mahay.”

20Aiza ny olon-kendry? Aiza ny manam-pahaizana? Aiza ny mpiady hevitra an’izao tontolo izao? Moa tsy navadik’Andriamanitra ho fahadalana ve ny fahendren’izao tontolo izao? 21Satria tsy nahalala an’Andriamanitra izao tontolo izao tao amin’ny fahendreny, dia sitrak’Andriamanitra ny hamonjy ireo izay mino amin’ny alalan’ny fahadalan’ny fitoriana.

22Fa ireo Jiosy dia mangataka famantarana mahagaga ary ireo Grika mikaroka fahendrena. 23Fa izahay mitory an’i Kristy voahombo, izay vato fanafintohinana ho an’ireo Jiosy ary fahadalana ho an’ireo Grika.

24Fa ho an’ireo izay nantsoin’Andriamanitra, ireo Jiosy sy ireo Grika, dia mitory an’i Kristy tahaka ny hery sy fahendren’Andriamanitra izahay. 25Fa ny fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny olona, ary ny fahalemen’Andriamanitra dia matanjaka noho ny olona.

26Hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy. Tsy maro taminareo no hendry raha ny amin’ny maha olombelona. Tsy maro taminareo no nahery. Tsy maro taminareo no avo firazanana. 27Fa Andriamanitra dia nisafidy ireo zavatra adalan’izao tontolo izao mba hampahamenatra ny hendry. Andriamanitra dia nisafidy izay malemy eo amin’izao tontolo izao mba hampahamenatra izay matanjaka.

28Andriamanitra dia nisafidy izay ambany sy hamavoina eto amin’izao tontolo izao. Na Izy aza dia nifidy ireo zavatra izay noheverina ho tsinontsinona, mba hahatonga tsinontsinoa ireo zavatra izay atao ho manan-danja. 29Nataony izany mba tsy hisy hanana antony hireharehana eo anatrehany.

30Nohon’ny nataon’Andriamanitra, ankehitriny ianareo dia ao amin’i Kristy Jesosy, izay lasa fahendrena ho antsika avy amin’Andriamanitra. Izy dia lasa fahamarinantsika, fahamasinantsika ary fahafahantsika. Vokatr’izany, araka izay voalazan’ ny Soratra Masina hoe: “Aoka izay mirehareha, hirehareha ao amin’ny Tompo.”

31

Copyright information for PltULB